Hentitra ny ekipan’ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana (DRCC) Analamanga taorian’ny fitarainana voarainy mahakasika ireo vary simba naverina tao anaty gony ka nozairina. Nidina teny Ankadindravola avy hatrany ireo mpanara-maso avy ao amin’ny minisitera MinCC rehefa nahita vaovao niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy momba ny zava-nisy. Nitohy tamin’ny fakana singa ny fitsirihana mba hitiliana ireo vokatra eny amin’ny laboratoaran’ny ACSQDA. Eo am-piandrasana ny valin’izay, hanokafana fanadihadiana eny amin’ny biraom-panjakana ny tompon’ilay orinasa rehefa nahazo taratasy fampiantsoana. Nivoitra tao anatin’ny fanambarana nataon’ny minisitera fa anaty kitapo 50 kg ireo vary nogiazana. Ny 392 kitapo no misy vary 25% vakivaky, ary 237 kitapo kosa no misy vary 5% vakivaky.
Henitsoa




