Pnud -Medd : Mitondra fampandrosoana ny ranomasina madio

Natomboka tany Toliara, tamin’ny fomba ofisialy, ny tetikasa «Ranomasina madio sy salama». Mitentina 11 626 605 dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (GEF), tohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Manatan­teraka azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Tanjona ny hanatsarana ny fitantanana ny tontolo iainana, ny hamerenana amin’ny laoniny ny tontolo voajanahary, ny fampihenana ny loto ary ny fampiroboroboana ny toeka­rena maitso sy manga. Na­nambara ny minisitry ny Medd, Andriatsihala Luc, fa miteraka fampandrosoana sady mitondra fahasalamana ny fahadiovan’ny ranomasina. Firenena 14 maneran-tany no misitraka ity tetikasa ity, saingy i Madagasikara irery ihany no misitraka azy aty Afrika sady vola tsy averina.
Faritra arovana vaovao
Maharitra 5 taona ny tetikasa. Miisa 56 000 ny mponina manodidina ny reniranon’i Onilahy sy Mandrare, ao amin’ ny faritra Atsimo Andrefana sy Anosy, misitraka izany. Ma­hatratra 3 320 ha ny faritra arovana (AP) an-tanety vaovao hapetraka. Hatsaraina ny fitantanana ny AP an-tanety mirefy 310 527 ha. Hama­fisina koa ny fitantanana ny an-dranomasina 4 000 ha. Mirefy 25 314 ha ny rohivoahary an-tanety simba, ho harenina. Misy ny fanodinana fako, ny fananganana fotodrafitrasa ara-pidiovana sy fidiovana. Eo koa ny fanatsarana ny fahaiza-manao sy ny fitantanana.

Njaka A.

Partager sur: