Hidina eny anivon’ny tokantranon’ny mpanjifa tsirairay manomboka amin’ity volana ity ny ekipan’ny jirama. Haka sary ny fitaovam-pandrefesana jiro sy rano izy ireo. Hetsika tafiditra anatin’ny fanatsarana ny tolotra sy fifandraisana amin’ny mpanjifa. Kendrena ny hampidirana izany ao anatina rafitra informatika sy ahafahana manadio ny tambazotra famantsiana jiro sy rano, araka ny fanazavana nataony. Tanjona hoy ny jirama ny hanamarina ny fifandrifian’ny fitaovana eny an-kianja sy ny angon-drakitra voasoratra ao anatin’ny rafitry ny orinasa. Hanara-maso akaiky ny kalitaon’ny fitaovana famatsiana ihany koa, ny orinasa. Ao anatin’izay haverina amin’ny tokony ho izy ireo kaontera ary harenina ireo tsy tomombana rehetra. Hitondra karatra famantarana voasonian’ny tale misahana ny mpiasan’ny Jirama ireo ekipa hanao ny asa, kara-panondrom-pirenena ary taratasy manamarina momba ny fanirahana hiasa izy ireo. Tsiahivina fa manodidina ny 570 000 ny mpanjifa herinaratry ny jirama raha toa ka 194 000 kosa izany ho an’ny rano.
Henintsoa




