Tsara ny vokatry ny jono nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona. Nahazo fankatoavana tsenambarom-panjakana miisa efatra, famokarana hazandrano 55 583 taonina (t) ary fanondranana 5 891 t. Nahatratra 16,85 miliara Ar ihany koa ny vola nampidirina tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Zana-trondro maherin’ny 1,15 tapitrisa no nozaraina ary mpisehatra 13 726 no nahazo fiofanana. Ho an’ny enim-bolana faharoa, hotohizana ny fanohanana ny mpisehatra amin’ny alalan’ny fiofanana sy fitaovana, miaraka amin’ny fananganana Fari-pamokarana Fiompiana Trondro (ZEP), tsena fivarotana hazandrano ary ny famelomana indray ny fiompiana trondro an-tanimbary.
Tanora 16, nizara ho ekipa valo, no nisitraka mari-pankasitrahana taorian’ny bootcamp naharitra dimy andro. Hetsika natao tao amin’ny Orange Digital Center (ODC) Soarano niaraka tamin’ny CEENTRE, tao anatin’ny tetikasa SEEED vatsian’ny Vondrona Eoropeana. Nampiofanina momba ny famolavolana tetikasa, ny fitantanana ara-bola ary ny fomba fanehoana tetikasa amin’ny mpampiasa vola izy ireo. Hanohy hanohana ireo startup valo mandray anjara ny ODC, amin’ny alalan’ny fanaraha-maso sy ny fampiasana ny FabLab, mba hampandrosoana ny tetikasan’izy ireo.
Nanatanteraka ny sidina fanokafana voalohany tao Mahajanga ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Royal Air, ny sabotsy 1 aogositra. Ity zotra mivantana vaovao mampitohy an’i Kaomoro sy Madagasikara ity dia natao hanamafisana ny fifanakalozana ara-toekarena, ny fizahantany ary ny fifandraisana ara-pirahalahina eo amin’ny firenena roa tonta.




