Ravan’ny afo ny tsena. Kila tsy nisy namantarana azy intsony ny olona iray lasibatry ny fahamaizana tao Bazary kely, Toamasina, ny alin’ny alahady 2 aogositra teo.
Nitarika ny firehetan’ny tsena tao Bazary Kely, kaominina Toamasina, ny fipoahan’ny vatoharatry ny finday an’ny mpiambina iray sy ny fifampikasohan’ny herinaratra, ny alin’ny alahady 2 aogositra teo. Niredareda tampoka ny afo tao amin’io tsena io nanomboka tamin’ny 10 ora sy 20 minitra. Niainga tamin’ny fifampikasohan’ny herinaratra ny fahamaizana, araka ny fanadihadiana. Nihitatra nahazo ny faritra maro tao anatin’ny tsena Bazary Kely ny firehetana. « Mpiambina iray namahana finday saingy efa nibotsina ny vatoharatra an’ny finday », hoy ny fanazavana. Nandeha nihazo toeran-kafa ilay mpiambina. Nipoaka tampoka tao amin’ny toerana namahanany azy tamin’ny herinaratra anefa io finday io. Nitarika tamin’ny fifampikasohan’ny herinaratra ny tranga. Ravan’ny afo avokoa ny 90% tamin’ny tsena lasibatra.
Hita faty
Raim-pianakaviana iray hita faty may tao amin’ny toeram-pivarotana fatana tao amin’ny faritry ny tsena Bazary kely. Tsy nisy namantarana azy intsony ilay olona kila forehitra. Taolam-balo hany sisa nalain’ny fianakaviana taorian’ny fifehezan’ny mpamonjy voina ny afo. Naharitra ora maro ny famonoana ny afo tao amin’ity fahavoazana goavana ity. Nifanome tanana tamin’ny fitaterana ny rano ny mponina saingy tsy nisy azo natao noho ny tanjaky ny afo. Manoloana ny fahavoazana, tonga nankahery ireo tompon-tsena rehetra lasibatra ny tomponandraikitra ao Toamasina.
Sajo




