Notafihan’ny andian-jiolahy miisa enina, ny tsenam-barotra iray tetsy Ambatolampy Antehiroka, ny harivan’ny alahady 2 aogositra 2026 tokony ho tamin’ny 6 ora hariva teo. Mbola teo am-pivarotana ny mpivarotra tao amin’ny tsena no tonga tampoka ireo jiolahy. Niditra tao an-tsena sy nanambana tamin’ny antsy, ny telo tamin’ireo jiolahy, raha ny fanazavan’ny mpivarotra tao amin’ny tsena. Niandry teo amin’ny varavarana sy teo an-tokotany kosa ny telo hafa izay nitondra basy, raha ny fanazavana voaray hatrany. “Nasain’izy ireo nidina tamin’ny tany avokoa ny olona tao an-tsena vao tafiditra izy ireo sady nambanan’izy ireo tamin’ny fitaovam-piadiana teny an-tanany”, hoy ihany ny fanazavan’ireo tompon’ny tsena voatafika. Lasan’izy ireo tamin’izany, ny vola manodidina ny 4,5 tapitrisa Ariary, ny fahana atao amin’ny finday maromaro izay mitentina 5 hetsy Ariary ary finday fampiasa amin’ny speed mitentina 200 000 Ariary. Lasa nitsoaka avy hatrany izy ireo taorian’ny asa ratsiny. Marihina fa vola lafon’ny mpivarotra ny alahady tontolo io voaroban’ny olon-dratsy io. Raim-pianakaviana sy ny zanany vavy iray no tao an-tsena tamin’ny fotoana nisehoan’ny fanafihana. Manao fiten’ny olona avy any Atsimo avokoa ireo jiolahy nanafika ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Antsasakadiny taorian’ny fanafihana kosa vao nampilaza ny vaovao tamin’ny polisy. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny fanafihana, ora iray latsaka taorian’ny fanafihana, raha ny fanazavan’ny lasibatra ihany. Miandraikitra ny fanadihadiana ny raharaha ny polisy avy amin’ny CSP 6 Ambohimanarina.
Mino




