TSELATRA

Nahitana lehilahy iray, maty tao amin’ny rano manamorona ny tetezan’i Sabotsy Namehana, omaly maraina. Lehilahy efa nanaovana ombay mitady hatramin’ny Talata 28 jolay teo ity hita faty ity, raha ny filazan’ny olona teny amin’ny manodidina. Efa tonga nanao ny fanadihadiana teny an-toerana ny polisim-pirenena.

Tontosa omaly tetsy amin’ny Kaomisaria Foibe Atsimondrano Tanjombato ny lanonana famindram-pitantanana teo amin’ny Commissaire principal de Police teo aloha sy ny mpitantana vaovao. Nandray ny andraikitra vaovao ny Commissaire de Police Ravelotahiana Amika Olivier. Ho laharam-pahamehana araka ny politikam-panjakàna ny fiarovana ny aina sy ny fananan’ny vahoaka ary ho fanamafisana ny fandriampahalemana maharitra ao an-toerana amin’ny fametrahana paikady amin’izany, raha ny fanazavany.
Nahatratrarana rongony miisa 30 fatorana tany Ambilobe, teny amin’ny lalam-pirenena faha-6, ny alin’ny 31 jolay 2026 teo. Saron’ny polisy nandritra ny fanaovana sakan-dalana izany. Tratra tao anaty fiara iray izy ireo ary voasambotra ny mpamilin’ny fiara. Nentina avy hatrany tao amin’ny Kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka Ambilobe ilay olona voasambotra sy ireo rongony tratra, mba hanohizana ny fanadihadiana sy hanatanterahana ny dingana rehetra, araka ny lalàna.

Saron’ny polisy tany Ambatondrazaka, ny tolakandron’ny 30 jolay 2026 teo ny vato kristaly tsy ara-dalàna milanja 465,3 kilao. Olona telo voasambotra tamin’izany. Nosamborina mba hanaovana fanadihadiana ihany koa ireo olona nitondra izany vato izany ary niaiky izy ireo fa mbola nividy sy nanafina vato kristaly tao amin’ny toerana iray ao amin’ny Fokontany Andemademaka.

Partager sur: