Hamafisina ny fiarovana ny vokatra eto an-toerana sy hampiharana ny fepetra vonjimaika mahakasika ny vary hafarana. Nihatra nanomboka ny 17 jolay teo ny haban-tseranana 20% amin’ny vary hafarana sy hetra fanampiny 5% amin’ny Riz de luxe. Haharitra efa-bolana ny ny fepetra raisina ary hodinihina arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha ny mbola hanohizana izany na tsia. Tanjona ny hiarovana ny vokatra vary eto an-toerana sy hiantohana ny filaminan’ny famatsiana eny an-tsena. Nisy ny fivoriana natao tetsy Ambohidahy nampahafantarana sy noresahina izany tamin’ireo mpandraharaha mpamongady. Nitarika izany ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, Rakotoson Gilchrist sy ny Tale jeneralin’ny Varotra anatiny sy ny Fanjifana (DGCIC) Fanomezantsoa Natolotriniaina. Nivoitra tao anatin’izay fa ankoatra ny fiarovana ny vokatra anatiny, natao handrindrana ny famatsiana ny tsena ireo fepetra ireo. Tao anatin’izay, nasaina hanambara ny tahiry ananany ireo mpivarotra ambongadiny. Kendrena ny hanaraha-maso ny fisian’ny entana sy mandrindra ny tsena. Marihina fa vina apetraky ny fanjakana ny hampihena ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana vary avy any ivelany sy hampiroboroboana ny vokatra anatiny.
Henintsoa




