Voasambotry ny polisim-pirenena tamin’ny alahady ny olona fito mianadahy niray tsikombakomba tamin’ny fikasana hanatanteraka fanafihana sy vonoan’olona tao Soavinimerina, distrikan’Avaradrano. Naneho fihetsika mampiahiahy tamin’ny olona lasibatra izy ireo. Naka sary sy nanara-maso hatrany ny fivezivezen’ilay saika horobaina. Nirahin’ny ramatoa iray voalaza ho atidoha tamin’ny fikonokononana vonoan’olona ireto manara-maso.
Napetraka ny vela-pandrika, nanara-dia ilay olona naneho fihetsika hafahafa ny mpitandro filaminana. Nitondra moto iray sy fiara iray ireo nikonokonona vono olona, araka ny fanazavan’ny polisy. Sarona avokoa izy rehetra. Voasambotra ilay ramatoa nampaniraka. Nogiazana avokoa ny fitaovana nampiasain’ny olon-dratsy. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha. Nitsotra ny olona voairaka fa nokaramaina hanao ilay fanaraha-maso.
Tsiferana R.




