TSELATRA

Nomena fiofanana ireo andrimasom-pokonolona eny Itaosy sy Fiombonana, afakomaly. Nitarika ny fampiofanna azy ireo ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP Itaosy. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny andraikitry ny Andrimasom-pokonolona, ny fomba fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana ary ny fandinihana ireo faritra mena isam-pokontany mba hanatsarana ny fisorohana ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Anisan’ny ezaka ataon’ny polisim-pirenena sy ny tompon’andraikitra eny ifotony amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ho fampanjakana ny filaminana izany.

Partager sur: