Toliara : Hatao « béton » ny lalana any Sanfil

Manomboka ny asa fanamboaran-dalana, hatao «béton» ny eo amin’ny fiantsonan’ny fiara mpitatitra any Sanfil Toliara. Ao amin’ny lalam-pirenena RN7 ity lalana ity, ka ny ampahan-dalana PK925 hatreo amin’ny PK925+800, izany hoe, mirefy 800 metatra no harenina. Manatanteraka ny asa ny orinasa Samsia Services, tafiditra ao anatin’ny ezaky ny fitondam-panjakana hanatsara ny kalitaon’ny lalam-pirenena, sady hampaharitra ny lalana ary hanamorana ny fivezivezen’ny mponina sy ny fitaterana entana.
Tanjona ny hanome fotodrafitrasa maharitra, mba hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy, indrindra any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tsiahivina, fa efa mandeha ihany koa ny fanatsarana ny lalam-pirenena RN9, miainga eo Toliara hatrany Manja. Asa goavana hatao, ankehitriny ny fanamboarana tetezana eo Bevoay, amin’ny reniranon’i Mangoky. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana sy ny Tahirimbola Koesiana. Ho lava indrindra eto Mada­gasi­kara, maherin’ny 800 metatra ity fotodrafitrasa goavana ity rehefa vita, aorian’ny tetezan’i Sofia any Atsohihy.

Njaka A.

Partager sur: