Mbola ambany ny vidin’ny lohamenaka ao amin’ny faritra Analanjirofo. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa nataon’ny Vondron’ny mpandraharaha mpanondrana lohamenaka eto Madagasikara (GEHEM), ny herinandro teo, tany an-toerana. Mbola maro ny fanamby atrehana hampiroboroboana ny lalam-pihariana ao Analanjirofo. Mitotongana ny vidim-bokatra ka mampihena ny fidiram-bolan’ny mpamokatra. Mila hatsaraina ihany koa ny kalitaony mba hahafahana mamaly ny fenitra takin’ny tsena anatiny sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manampy trotraka ny tsy fahampian’ny fitaovana eo amin’ireo mpisehatra sy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro izay mampihena ny akora fototra.
Tanjon’ny atrikasa ny hampivondrona sy hifanakalo hevitra amin’ireo amin’ireo mpisehatra handinihina ny hoavin’ny seha-pihariana sy hitondram-bahaolana maharitra momba izany.
Ankilany, voaresaka ihany koa ny maha zava-dehibe ny «traçabilité» ahafahana manara-maso ny vokatra. Heverina fa andraikitra iombonan’ireo mpisehatra ao anatin’ny rojom-pihariana izany hanamafisana ny fifaninanana sy hiantohana ny faharetan’ny vokatra.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa lohamenaka iarahana amin’ny Centre Ecologique Albert Schweitzer (CEAS), ny Dredd Analanjirofo, ary Dredd Atsinanana ny atrikasa natao. Kendrena ny hanamafy ny fifampiresahana eo amin’ireo mpisehatra, hanohana ny fametrahana rafitra fitantanana isam-paritra ary hanatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara rehetra ao amin’ny rojom-pihariana.
Henintsoa




