Mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena RN7 eo Sakaraha hatrany Andranovory. Trongisina ny arabe ratsy, efa misy ny fandrarahana godirao. Eo Mahaboboka (PK820) hatreo Vineta (PK846) ny dingana voalohany, ataon’ny orinasa La Précision. Ao anatin’izany ny fandrarahana godirao sosona fototra, sy ny sosona fototra ambony. Amin’ny ankapobeny, 20% ny tahan’ny fandrosoan’ny asa.
Ho tombanana ireo tetikasa miompana amin’ny fiarovana ny sosona ôzôna. Mitsidika eto amintsika ny iraky ny firenena mikambana momba ny tontolo iainana (Unep). Hamafisina koa ny fahaiza-manaon’ny Birao nasionaly Ôzôna ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd). Hisy ny fihaonan’ity iraka ity amin’ny fikambanan’ny teknisiana frigôrista eto Madagasikara (UFM), ny Fadintseranana, ny GasyNet, ny ao amin’ny Angovo, ny Varotra, ary ny Biraon’ny Fenitra eto Madagasikara (BNM).
Tafatsangana ny tambajotran-trano fitahirizana sakafo any Ilafitsinana Taolagnaro. Fotodrafitrasa afaka hitahirizana vokatra 200 taonina. Ahitana birao, efitra fialana sasatra ary toerana teknika. Nahatanterahana azy ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena (MiASA), ny vondrona CPGU amin’ny alalan’ny fandaharanasa ADRiFI, vatsian’ny Bad ara-bola.




