Tsy mety lany andro: Manana soatoavina maro ny Malagasy

Iray amin’ireo fototra ijoroan’ny firenena, ny soatoavina. Ho an’ny Malagasy, saika manaraka sy manaja ny lamina voajanahary izy ireny, hany ka tsy mety lany andro sy mahatety vanim-potoana ela. Ohatra, ny zokiolona sy ny masoandro amam-bolana, fanaja. Ny aina an’Ilay Nahary ka tsy manan-jo hanala izany ny olombelona. Ny razan-ko ela no lasa Zanahary. Manaova ny tsara mba hotsaroana, sns…
Noho ny fihazakazaky ny « fandrosoana ». Manomboka miha vitsy ny Malagasy no manaja ireny soatoavina ireny. Ao ny milaza fa « efa tsy tokony miaina amin’izany intsony ny Malagasy ». Ny fahamaroan’ny soatoavina eo amin’ny faritra na firenena iray no tokony hananany tanjaka amin’ny lafiny maro.
Anisan’ny olana mianjady amin’ny soatoavina malagasy ihany koa, anefa, ny tsy fahafantarana sy ny tsy fanajana ny an’ny hafa. Mitady hiraika any amin’ny fanaovana tsinontsinona ny fiarahamonina sy ny lalàna mifehy azy izany. Tsara ny manaja ny fomba, ny soatoavina, ny fady, sns. Mitaky fifanajana, anefa, ny fanatanterahina sy ny fanarahina azy ireny. Afaka mifanaraka tsara rahateo ny soatoavina sy ny lalàn’ny fiarahamonina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: