« Doria vita sokitra »: Hanomboka ny fampirantiana eny Isoraka

Hiverina hisokatra ny Mo­zean’ny zavakanto sy ny arkeolojia eny Isoraka. Vao­vao lehibe ho an’ny tontolon’ny zavakanto sy ny fampianarana izany noho izy eo ambany fiahian’ny oniversiten’ Antananarivo. Ankoatra ny maha tranombakoka sy toeram-pikarohana ho an’ny mpianatra azy, handray fampirantiana mandalo koa ny eny Isoraka. Hisantatra ny fi­sokafana ny «Doria Vita So­kitra». Mahakasika ny aloalo Mahafaly, ny hazon-dolo sa­kalava, ny teza betsileo, sns, ny hetsika. Ranty izay hanehoana ireo mariky ny fahafatesana sy ny tontolo any ankoatra, tarafina amin’ny sokitra. Tompon-kevitra i Domi Sanji, izay nanana andraikitra tamin’ny fanavaozana ny mozea.
Rehefa avy nandalo fanavaozana sy fanatsarana, hamerina hampiranty ireo vakoka azy manokana koa ny mozea. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny mpikaroka sy manampahaizana amin’ny vakoka frantsay izany. Nitohy tamin’ny fizarana traikefa ho an’ny mpianatra miisa 19 avy amin’ ny oniversiten’Antana­na­rivo sy enina avy any amin’ ny sekoly any Louvre. Heve­rina fa hanampy isa ny tranombakoka azon’ny mpizahatany tsidihana ny eny Isoraka, ankoatra ny maha toeram-pikarohana azy.

Zo ny Aina

Partager sur: