« Star Tour Mahajanga 2026 » : Hampialana voly ny mpiala sasatra sy ny zanatany

Anatin’ny fialantsasatra lehibe hatrany ny « Star Tour” any Mahajanga. Ho an’ny mpianakavy kokoa ny hetsika, na tompon-tany na mpiala sasatra.

Fetim-pianakaviana. Izay no tanjona amin’ny “Star Tour Mahajanga”. Ho­tontosaina ny 15 sy 16 aogositra ho avy izao ny hetsika amin’ity, eo amin’ny Bord Ma­hajanga hatrany. Notsin­drian’ ny mpikarakara manokana izay fampialana voly ho an’ny rehetra izay, na mpiala sasatra mamonjy an’i Mahajanga na ireo tompon-tany efa miandry rahateo ny hetsika. « Ankoatra ny fampisehoana goavana izay efa mahazatra, hisy toerana fampilalaovana, arahina fanentanana marobe. Misy ho an’ny sokajin’olona rehetra ny fialamboly homaninay amin’ity. Mazava loatra fa laharam-pahamehana ho an’ny Star hatrany ny fandriampahalemana, ny filaminana, ary ny fiarovana ny tontolo iainana mandritra ny hetsika », hoy ny nambaran’i Se­heno Randriambola­ma­nana, talen’ny seraseran’ny Star, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Andraharo.

Na dia ny sabotsy sy alahady aza no voatondro hanatontosana ny « Star Tour ». Efa haka fofompofony amin’ny fety ny rehetra ny zoma 14 aogositra. Ny “espace pression”, izay hisy ny fanentanana ifandimbiasan-dry Bahrone sy Teg ary i Eric Fou Hehy, hafanain’ireo mpikosoka kapila efa mahazatra ny hetsika, Dj Looping, Dj Natoo ary Dj Jim. Ny fampisehoana eo amin’ny sehatra goavana izay tena handrasan’ny maro kosa dia hosokafan’i Arnaah, ny sabotsy. Hotohozinan’i LJo izany aorian’izay, mialoha ny hivadihan’ny eny amin’ny Bord ho toeram-pandihizana lehibe. Ny alahady kosa, hiaka-tsehatra i Ckyky ary ny tarika AmbondronA no hamaraka azy, toy ny efa mahazatra aman-taonany maro izao. “Nisy ny fanadihadiana mialoha nataonay, na teto anivon’ny Star na tamin’ireo olona any an-toerana, ka anisan’ny mpanakanto niverimberina ireo nantsoina ireo”, hoy ny nambaran’i Jessy Andrian­tsi­ferana, “digital manager”.

Zo ny Aina

Partager sur: