« Jazz Kids » : Manana mpandimby ny mpilalao jazz

« Tsara… Mahay ireto ankizy ireto… Afa-po izahay… »… Anisan’ny feo heno tetsy amin’ny Tranom­poko­nolona Analakely, omaly, ireo. Raha aravona ho iray, manana mpandimby azo antoka ny mpilalao jazz eto Mada­gasikara. Mbola antenaina aza ny hivelaran’ny talentan’ireto ankizy ireto any aoriana. Nanamafy izany ny nambaran’ireo vahiny tonga teny an-toerana : « ho firenena ipoiran’ny mpilalao jazz malaza indray i Madagasikara, atsy ho atsy ».
Maro tamin’ireto ankizy milalao jazz (mitendry, mihira) ireto no vao sambany no nandray anjara tamin’ny « Jazz Kids ». Na izany aza, efa tazana sahady fa mahafehy ny fomba fiakarana sehatra sy fisehoana imason’ny olona maro. Tsapa avy amin’izany fa tsy ny fahaiza-mitendry na mihira jazz ihany no nampianarina azy ireo fa ny fahaiza-mifehy ny atao hoe fampisehoana an-tsehatra mihitsy.
Andro faharoan’ny fampisehoana ny rahampitso tolakandro. Hotanterahina eo anoloan’ny Tranompokono­lona Isotry ny « Jazz Quar­tier ». Handray anjara ao anatin’izany ireo mpitendry tanora sy ireo efa manana traikefa eo amin’ny tontolon’ny jazz sy ny fampivelarana izany ho an’ny rehetra.
Tsetsatsetsa tsy aritra, iray amin’ireo firenena manana mponina manakaiky ny tontolon’ny jazz i Mada­gasi­kara.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: