Nidina avy hatrany teny amin’i Bazary Kely Toamasina izay hotohoton’ny afo ny iraky ny fanjakana nitondra fanampiana sy nankahery ireo traboina. Entina hanarenana haingana ny asa fiveloman’izy ireo andavanandro ny fanampiana nentina. Nahitana tafo fanitso 7 240 isa, simenitra 100 kitapo, hazo lehibe sy hazo fisaka 16 912 isa, fantsika 2,4 taonina.
Teo koa ny sakafo sy kojakoja toy ny vary sy menaka ary voamaina milanja 82 taonina, koba Nutrilait, Sur’Eau, gel hydroalcoolique, savony, siny, zinga.
Raha ny tatitra vonjimaika, nahatratra 2 416 ny fivarotana kilan’ny afo, ka 1 471 no ao amin’i Bazary Kely Ambony ary 945 ao amin’i Bazary Kely Ambany. Olona 02 no naratra ary 01 no namoy ny ainy vokatr’ity loza ity.
Tsy hijanona amin’izao fanampiana vonjimaika izao ny ezaka, fa hisy ny fanaraha-maso sy ny fanohizana ny fanarenana mba hahafahan’ireo fianakaviana traboina miverina tsikelikely amin’ny fiainany andavanandro, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Mponina.
Omaly ihany koa dia nitondra fanampiana ho an’ireo traboina tetsy Antsambilo Ivato ny lehiben’ny faritra Analamanga sy ny ben’ny Tanànan’Ivato. Olona roa no maty ary trano 6 no rava vokatry ny hain-trano niseho ny talata alina teo. Hanampy amin’ny fikarakarana ny razana sy ny fampodiana izany an-tanindrazana ihany koa ny tompon’andraikitra. Mifarimbona amin’ny fanarenana tsikelikely ny tanàna ny mponina
Tatiana A




