Halatra tariby : Polisy am-perinasa voasambotra

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy miisa fito anaty tambajotra mpangalatra tariby tao amin’ny Sarimasina, fokontany Antananambo, kaominina Fanandrana, omaly. Sarona nandoro ny tariby avy nangalariny tamin’ny sisin’arabe ny roa lahy. Narahi-maso, nisy fiara iray marika Mazda miloko mena nigadona teo amin’ny mpangalatra tariby. Nikasa hampiakatra ny entana ao anatin’ny fiara izao ireo. Natsahatry ny mpitandro filaminana tamin’ny asa ratsiny avy hatrany. Olona miisa fito sarona tamin’io fotoana io. Mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily ny iray. Mponina avy ao Toamasina avokoa izy ireo, araka ny angom-baovao. Nogiazana avokoa ny tariby rehetra teny am-pelatanan’ireo mpanao ratsy ireo. Naiditra am-balam-pamonjana koa ny fiara fampiasan’izy ireo. Nentina natao famotorana ary hatolotra tsy ho ela eny anivon’ny fampanoavana ny raharaha. Tsiahivina, matetika lasibatr’ireo mpanao ratsy ny orinasa Jirama sy ireo tambajotran-tserasera mampiasa ireny karazana tariby ireny.

Sajo

Partager sur: