Saika voatafika ny mpandraharaha iray tao Ambalankininina, omaly maraina. Tompon’antoka ny jiolahy efatra, nitondra basy. Maty voatifitry ny tompon-trano ny iray tamin’izy ireo.
Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Ambalakininina, Kaominina Mahanoro, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Nahare fisian’olona hafahafa tao amin’ny tanànany ny tompon-trano sady mpandraharaha. Tsy nisalasala namoaka ny fitaovam-piadiana tao aminy izy vantany nahare ny fidiran’ny jiolahy tao an-tranony. Notohanan’ireto farany tamin’ny hazo lehibe ny varavaran’ny trano. Tsy afa-nivoaka izy mianakavy. Efa nohidian’izy ireo koa ny vavahady. Norahonana tamin’ny alalan’ny tifitra avy any ivelany ny tompon-trano mba tsy hiantso vonjy.
Manoloana ny fampitahorana, tsy nanaiky mora ny tompon-trano. Nampiasa ny fitaovam-piadiana tao aminy ilay mpandraharaha. Nisy iray voatifitra ny mpanafika ka maty tsy tra-drano.
Nanao tari-dositra
Nitsirara tamin’ny tany, tsy nisy niraharaha ilay jiolahy maty. Nanavotra ny ainy izy telo lahy namany. Nanao tari-dositra tao anaty haizina ireto farany. Latsaka tsy lavitra ny varavarana nokasain’izy ireo hidirana ny fitaovana nampiasaina. Nampandre ny mpitandro filaminana ny lasibatra sy ny mponina manodidina. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny fanafihana ny mpitandro filaminana. Miroso amin’ny fanadihadiana izy ireo. Karohina ny telo lahy hafa niara-niasa tamin’ilay jiolahy maty voatifitra. Marihina, manjaka indray ny asan-jiolahy ao amin’ny faritra Atsinanana tato ho ato. Mandray andraikitra hatrany ny polisim-pirenena sy ny zandary izay miaro ny vahoaka sy ny fananany.
Sajo/Tsiferana R.




