Hohainoin’ny fitsarana anio ny vadin’ilay lehilahy 21 taona namoy ny ainy, teny Anosizato. Nitrangana vonoan’olona mampiahiahy teny an-toerana, ny talata lasa teo. Nisy tsy fifankazahoana ka niafara tamin’ny disadisa teo amin’io lehilahy io sy ny vadiny, araka ny loharanom-baovao. Niasa toy ny fanoany ilay lehilahy nandritra ny tapakandro maraina, raha ny fanazavan’ny fianakaviany. Nody an-trano, nifamaly izy sy ny vadiny. Nahare ny tabataba teo amin’izy roa, niditra tao amin’ny trano fonenan’izy mivady ny zandrin’io lehilahy io. Tezitra anefa ilay vehivavy ka norohasiny hivoaka ny trano ny zandrim-badiny. Minitra vitsy monja taorian’izay, hitan’ny fianakaviany nihantona teo amin’ny tohatra ilay lehilahy nifamaly tamin’ny vadiny. Tsy nisy aina intsony izy ka nikoropaka hanavotra azy ireto farany.
Novelesina
Araka ny loharanom-baovao, voalaza fa novelezina tamin’ny hazo mpanjakaben’ny tany ilay lehilahy ka nitarika tamin’ny famoizan’aina. Nahantona teo amin’ny tohatra izy taorian’izay. Notanana vonjimaika any am-ponja ilay vehivavy vadin’io namoy ny ainy io, rehefa nohadihadian’ny mpitandro filaminana. Hatreto, tsy fantatra mazava ny tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona teny Anosizato ity. Ho tompon’ny teny farany hamatarana ny marina ny fitsarana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.




