Zaza varira iray nokasain’ny dadatoany hamidy tao Vangaindrano ka olona 9 voasambotra hatramin’ny omaly. Noraisain’ny fitondrana Fanavaozana an-tanana ilay zaza ka nakarina eto an-dRenivohitra.
Olona efatra naratra nianjeran’ny kabone tao Mananjary, nandritra ny fiakaran’ny ranomasina, omaly. Zaza ny iray tamin’ireo voakasika. Notsaboina eny anivon’ny hopitaly izy ireo.
Zaza 4 taona kilan’ny afo ka namoy ny ainy tao Bealalana, afakomaly alina. Nisy fifamaliana teo amin’ny ray aman-drenin’io zaza io, araka ny loharanom-baovao. Nampihatra herisetra ilay raim-pianakaviana ka nandositra ramatoa nitondra ny zaza vao teraka sy ilay 6 taona. Efa natory ilay 4 taona kanjo may tao an-trano.




