Nisantarana ny seho sehatra tamin’ity Jazz@Tohatohabato 2026 ity ny «Jazz kids», notanterahina tao amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny 5 aogositra teo. Hotohizan’ny «Jazz Quartier», anio tolakandro, izany. Seho ankalamanjana, eo anoloan’ny Tranompokonolona Isotry. Tafiditra ao anatin’ny tanjona tratrarin’ny mpikarakara ny hetsika kolontsaina Jazz@ Tohatohabato ny fahampahafantarana ny jazz amin’ny Malagasy sy ny fampivelarana izany ao amin’ny tsirairay sy ny fiarahamonina iray manontolo. Antony hanatanterahina ny seho manatona ny olon-drehetra tahaka izao. Manana endrika fifanakalozana rahateo ny anio.
Ho tazana eny an-toerana sady handray anjara ireo zoky eo amin’ny filalaovana ny jazz sy ireo tanora manomboka mametraka ny anarany sy ny talentany ho hitan’ny rehetra. Saika ahitana ireo mpikambana ao amin’ny Jazz Club CGM ny ankamaroan’ny seho tanterahina tahaka izao. Tsy hijanona ho mpikarakara fotsiny ry zareo fa tena ho mpandray anjara feno. Marihina fa ny Jazz Club CGM sy ireo mpitendry ao aminy no angady nananana sy vy nahitana ny Jazz@Tohatohabato. Anisan’ny mampiavaka ny jazz ny fahafahana milalao azy amina toerana samihafa.
HaRy Razafindrakoto




