Araka ny voalazan’ny fifanarahana eo amin’ny mpivarotra ao Anosibe sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, “ampoule” iray sy “prise” iray ihany no tokony hampiasaina isaky ny “box” ao an-toerana.
Tsikaritra nandritra ny fidinana tao an-tsena anefa fa mihoatra noho izay ny fitaovana mandeha amin’ny herinaratra ampiasain’ny ankamaroan’ireo mpivarotra. Heverina hampitombo ny loza ateraky ny fampiasana herinaratra tsy voafehy izany.
Ity fidinana ifotony ity dia natao indrindra ho fandraisana fepetra sy fisorohana ny loza, taorian’ny fahamaizana niseho teny an-toerana farany teo. Fanombohana ihany izao fa mbola hitohy amin’ireo tsena lehibe eto Antananarivo ny fanaraha-maso sy ny fandaminana.
Miantoka ny fandriampahaleman’ny tsena ny fanajana ny lamina napetraka eo amin’ny fampiasana herinaratra. Zava-doza ny ateraky ny afo raha toa ka misy fipoahana na tsy fahazakana ireo fitaovana mavesatra na miohatra noho ny tanjaky ny herinaratra ampiasaina. Ho fiarovana ny fananan’ny mpivarotra indrindra no antony hametrahana ny fepetra sy fanaraha-maso izany.
Tatiana A




