Vonoan’olona tsotr’izao no nahafaty ny ben’ny Tanàna lefitra tao Benenitra, omaly maraina. Notifirin’ny olon-dratsy izy ka nahazo ny tratrany ny bala.
Dimy lahy nitondra fitaovam-piadiana niditra an-keriny tao amin’ny tokatranon’ny lefitry ny ben’ny Tanàna miasa ao amin’ny kaominina Benenitra, faritra Atsimo Andrefana, omaly. Nopitsohan’ny jiolahy tamin’ny alalan’ny famaky ny varavarana, tsy nisy alaharo, notifirin’ ny iray tamin’izy ireo tamin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana io lefitra faharoa an’ny ben’ny Tanàna io. «Niditra teo amin’ ny faritry ny sorony ny bala ary tavela tao anatin’ny tratrany», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Benenitra. Tsy nisy olon-kafa ankoatra azy mivady tao amin’ ny trano fonenany. Tsy nokasihan’ireo mpamono olona ny vadin’ny ben’ny Tanàna.
« Heverina ho namono azy fotsiny no tanjon’ireo jiolahy», hoy ny fanazavana. Niditra tao anatin’ny trano ny efatra tamin’ireo olon-dratsy raha toa ka nijanona ivelan’ny trano ny iray.
Nifamaly an-telefaonina
Araka ny angom-baovao voaray teo anivon’ny zandarimaria misahana ny famotorana, nifamaly tamin’ny olona tsy fantatra io lefitry ny ben’ny Tanàna io, ny alakamisy lasa teo. «Tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina io fifamaliana io. Nifampiresaka tamin’ny alalan’ny laharana miafina io ben’ny Tanàna io sy ilay olona», hoy ny fanampim-panazavana. Miroso amin’ny fanadihadiana lalina momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Nanao fanarahan-dia miaraka amin’ny fokonolona ao an-toerana ireto farany.
Tsiferana R.




