Hanampy ireo zatovovavy sy vehivavy tanora, 16 ka hatramin’ny 35 taona, hiditra amin’ny sehatry ny asa sy hanamafy ny fahaiza-manaony amin’ny fandraharahana ny tetikasa “East Africa Girls’ Empowerment and Resilience Program” (Eager). Mandritra izany, omena fiofanana, tantsoroka ary fanohanana izy ireo mba hahafahany mizaka tena ara-toekarena. Tonga tany Taolagnaro ny alakamisy teo ny delegasionina notarihin’ny minisitry ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Raharimanjato Ny Riana Nampoina, nihaino ny hetahetan’ireo tanora. Nivoitra tao anatin’izay ny filana asa maharitra, fiofanana mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa, tohana ara-teknika ary famatsiam-bola hanombohana na hanitarana fandraharahana. Tetikasam-panjakana avy amin’ny Vondron’ny Banky iraisam-pirenena sy tanterahan’ny Fid sy ny MIDSP, ny EAGER. Kendrena ny hampisitraka vehivavy tanora miisa 60 000 manerana ny Nosy.
Henintsoa




