Tapitra ny 7 aogositra teo, ny fivoriana ara-teknika, teo amin’ny Firaisambem-paritry ny fiarovana an-dranomasina (ARSM) sy ny Vaomieran’ny Fadintseranana aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Nikarakara azy ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI). Taorian’ny fivoriana, nilaza ny mpiraiki-draharaha (CM) ny COI, Raj Mohabeer, fa manana andraikitra goavana ny sampandraharaha ny fadin-tseranana. Satria izy no manamora ny fifanakalozam-barotra eo amin’ny samy firenena. Ny ladoany ihany koa no tetezana mampifandray ny samy firenena. Noho izany, tena ilaina ny nananganana ny Vaomieran’ny Fadintserana ho an’ireo firenena 5 (Maorisy, Madagasikara, Kaomoro, Seychelles, La Réunion). Efa tafatsangana ny taona 2025 tany Maorisy ny Vaomieran’ny Ladoany. Ary izao atao eto Antananarivo izao ny fivoriana iraisan’ireo firenena 5, miampy ny tonian’ny COI miantoka ny fandrindrana ny asa atao.
Fanamorana
Nomarihin’ny mpiraiki-draharaha (CM) Raj Mohabeer, fa anisan’ny laharam-pahamehana ny fanamorana ny fifanakalozam-barotry ny mpikambana. Eo koa, ny fanamorana ny fitaterana ny entana na vokatra, indrindra raha sendra misy fanampiana vokatry ny loza voajanahary, ohatra. Sehatra hafa koa, ny fiarovana amin’ny fitaterana an-dranomasina, satria andraikitry ny Ladoany ny manara-maso ny entana ara-dalàna na tsia, sy ny ezaka ataony amin’ny fampidirana ny haban-tseranana. Ho tombanana hatramin’ny faran’ny taona 2026 ny asa, ary hisy fihaonana indray amin’ny taona 2027.
Njaka A.




