Mirefy 20 km ny ampahany voalohany hatao amin’ny lalana avy eo Antanifotsy mankany Sahofika. Ifantohana ny fanajariana sy ny fandravonana ny lalana, ny fanomanana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina. Vita amin’ity herinandro ity, ny fametrahana ny fitaovana vaventy ilaina amin’ny famokarana ireo akora ilaina amin’ny fanamboarana lalana (vatokely, vovobato, sns). Tafiditra amin’ny fanomanana ny fananganana ny fotodrafitrasa tohodrano mamokatra herinaratra any Sahofika ity asa ataon’ny orinasa Colas ity.
Mitokona ireo mpitrandraka vato any Andakatany distrika Manandriana. Antony, ny tsy fifankazahoana eo amin’ny vidin’ny vatosoa. Efa tonga tany an-toerana ny Biraom-paritry ny Harena an-kibon’ny tany, talohan’izao fitokonana izao, nampahafantratra fa ny orinasa Gasy Miarina no manana ny fahazoan-dalana ara-dalàna hitrandraka. Voarakitra ao anaty bokin’andraikitra, fa manome malalaka ireo vahoaka hitrandraka ity orinasa ity ary mivarotra ny vokatra aminy. Saingy misy teratany sinoa tsy manana taratasy tonga hividy an-tsokosoko amin’ny vidiny ambony, nahatonga ny disadisa.
Atao any Fianarantsoa ny 6, 7, 8 aogositra izao, ny « Foaran-karena Maitso ». Mikarakara azy ny tetikasa Tefiala, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd). Tanjona ny hampiroboroboana ny rojom-pihariana maitso, manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ala, sady manatsara ny fidiram-bolan’ny tantsana. Maherin’ny 1 000 ireo mpitsidika, nandritra ny andro voalohany.




