Kolontsaina, finoana : Hihaona ny taranak’ Ambohimamory

Iray amin’ireo vohitra manan-tantara eto Imerina i Am­bohimamory. Tsy avelan’ny taranaka, fianakaviana, ankohonana ho very izany fa misy hatrany ny fihaonana eo amin-dry zareo. Hifankahalalana, hifampitana vaovao sy hafatra, hana­tsarana an’Ambohimamory sy ny vakoka misy eo aminy. Iray amin’ireny toerana na faritra na trano manan-tantara ireny ny FJKM Ambohimamory Orimbato. Rahampitso amin’ny 8 ora sy sasany maraina. Fanompoam-pivavahana, fiarahan’ny isan-taranaka sy fianakaviana ary ankohonana mandrehitra ny jiro fanilo miampita.
Fizarana faharoa. Hotohizana ny 15 aogositra, eny amin’ ny Kianjan’Ambohimamory ny fihaonan’ny taranaky ny vohitr’Ambohimamory. Fihaonana hiompana amin’ny «fifankahalalana, fifankatiavana ary firaisankina». Hanana anjara toerana lehibe ny kolontsaina sy ny zavakanto.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: