Sorakanto : Nodimandry i Sitraka « La Vérité »

Folaka an-dantony… Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Very namana, mpikambana mavitrika ny fikambanan’ny mpanao gazety mpikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, Sorakanto. Nodimandry teo amin’ny faha-36 taonany i Sitraka Rakotobe.
Niasa tao amin’ny gazety La Verité no tena nahalalan’ny maro azy, nahazoany ny anarana Sitraka La Verité. Nanovo traikefa sy nanomboka asa tao amin’ny L’Hebdo de Madagascar, L’Express de Madagascar ary Ao Raha izy mialoha izany.
Ao ambadik’ilay tsikitsikiny lava, misy fahamatorana amin’ izay nataony i Sitraka. Nilomano tao anatin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, efa tao anatin’ny rap gasy, sy nifanerasera tamina mpisehatra maro. Efa nanatsidika tetikasa izay nokonokononiny niaraka tamin’ny namany mpanao gazety mpikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, kasainy hotontosaina tato ho ato izy saingy hafa ny lahatra.
Andrasana eny amin’ny Tsaralevenana Ambohibao ny nofo mangatsiakan’i Sitraka. Hoentina eny amin’ny FJKM Ambohi­trihombihavana ho fangataham-pitahiana ny alahady izao, mi­aloha ny hanitrihana azy eny Andoharanofotsy Mahabo.

Zo ny Aina

Partager sur: