Foara Back to school expo Madagascar : Havondrona ny mpisehatra amin’ny fampianarana

Misy foara lehibe « Back to school expo Madagascar », natokana ho an’ny fidiran’ny mpianatra sy fitarihana amin’ny safidy ho an’ny lalam-piofanana ary ny asa mifandraika. Hanomboka ny 3 ka hatramin’ny 6 septambra ho avy izao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsika. Tanjona ny hampivondrona ireo mpisehatra rehetra manampy ny tanora amin’ny fanomanana ny hoaviny anatin’ny tranoheva 200, araka ny fanazavan’ny mpitantana ny Nc Agency, Raharimandresy Anna, mpikarakara ny hetsika, omaly, teny Mahamasina.
Misy sehatra maromaro miaraka amin’ny lohahevitra mifandraika amin’ny mpianatra miandry ny mpitsidika. Varotra fitaovam-pianarana sy ny boky ary kojakoja samihafa miaraka amin’ny fihenam-bidy hatramin’ny 50% ho fanampiana ny ray aman-dreny.
Handray anjara koa ny oniversite sy ireo toeram-panofanana misy ho an’ny mpianatra hiditra amin’ny fampianarana ambony ahazoany misafidy lalam-piofanana. Manana sehatra manokana ao ny orinasa handray mpiasa tanora vaovao. Misy ny teknolojia ho an’ny fanabeazana, toerana manolotra fiofanana hifehezana ny IA sy ny sekoly manana fampianarana « en ligne » rehetra. Tranoheva iray manokana hanome torolalana momba ny sekoly misy mifandraika amin’ny asa misarika ilay olona.
Mandritra ny hetsika, mandray fitaovam-pianarana avy amin’ny malala-tanana ny mpikarakara hanampiana ireo mpianatra sahirana ara-pivelomana eny amin’ny EPP eto Antananarivo Renivohitra. Hiara-hiasa amin’ny kaominina izy ireo.

Vonjy

Partager sur: