Maty voatifitra teo amin’ny lohany ny mpianaka, monina eny Anosimasina Itaosy, tamin’ny sabotsy. Tsy misy mipika ny fanadihadiana. Nilaza kosa ny mpitandro filaminana fa miresaka volabe amina miliara, ny taratasy hita teo amin’ny razana.
Mpianaka niaraka maty hitan’ny mpitandro filaminana tao amina tokantrano iray teny Anosimasina, kaominina Itaosy, afakomaly maraina. Haka ilay vehivavy ny mpamily saingy tsy nisokatra ny trano sady tsy nisy nandray ny antso an-telefaonina, ny sabotsy maraina. « Naharay antso avy amin’ny zanakalahin’io rangahy io ny zandary », hoy ny mpitandro filaminana. Voatery niditra tamin’ny alalan’ny varavarakely ny mpitandro filaminana kanjo efa samy tsy nisy aina intsony ireo mpianaka. Voan’ ny bala teo amin’ny lohany ilay vehivavy ary voatifitra ihany koa, ny rainy. Natory teo amin’ny farafara ilay vehivavy raha toa ka nitsirara teo ambony fandriana ny rainy. Nisy basy nifanila tamin’ny tongony. «Nandray zava-pisotro mahamamo ilay rangahy talohan’ny nahafatesany», hoy ny mpitandro filaminana. Tsy nisy olon-kafa ankoatra azy mianaka tao anatin’ny trano, araka ny loharanom-baovao. Tsy voafaritra raha toa ka novonoin-drainy ny zanany vavy ary nitifi-tena izy taorian’izay.
Taratasy nisy soratra
Hita tsy lavitra ny nofo mangatsikan-drangahy namoy ny ainy ny taratasy nisy soratra. «Ilay raim-pianakaviana no nanoratra izany», araka ny tatitry ny mpitandro filaminana. Anisan’ny teboka lehibe hita tao anatin’izany, ny resa-bola amina miliara. Nanokatra fanadihadiana momba ity tranga ity ny polisy miasa eo anivon’ny sampam-pikarohana heloka bevava. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana ataon’izy ireo hamantarana ny tena zava-nisy marina momba ity tranga teny Bemasoandro ity.
Tsiferana R.




