Namoy ny ainy teo ambony seza, fandraisana olona ao amin’ny hotely iray eny Mandrosoa Ivato, ny vehivavy teratany ganeanina iray, afakomaly. Teo ampandraisana ny mombamomba azy ny mpiasa no nitambotsitra tsikelikely, niala aina izy. Niezaka naka dokotera tsy lavitra teo ny tomponandraikitra rehefa avy nampilazan’ny mpiasa. Olona efa maty anefa no novantaniny. Nisy rano maintimaty nivoaka ny orony sy ny vavany, hoy ny nanatri-maso, sy ny zandary nanao fizahana teny an-toerana. Nilaza ny mpitsabo fa mety ho fijanonan’ny fo tampoka no nahafaty azy.
Nikasa haka trano fandriana tao amin’ny hotely izy no maty. Nandeha irery, tsy nanana mpanaraka izy. Tsy nitondra afa-tsy akanjo sy finday mihidy ity farany. Mbola nahitana kara-panafody maro be ihany koa teny amin’ny poketrany.
Efa nampandre ny masoivohon’i Afrika Atsimo, izay miandraikitra ny firenena Ghana ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera sy ny mpitandro filaminana, nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny CHU-JRA eny Anosy ny vatana mangatsiakany.
r.r




