Tapa-bolana nokarohina : Vehivavy hita tany Morondava

Naharaisan’ny mpitandro filaminana fampahafantarana avy amin’ny fianakaviany fa very, vehivavy iray hita tany amin’ny torapasika Nosikely, tao Morondava, afakomaly. Nivoaka ny trano fonenany ilay vehivavy, mbola mpianatra eny anivon’ny Oniversite, ny 25 jolay ka tsy niverina intsony. Nitebiteby ny fianakaviany ary nanao ombay mitady. Nametraka fitarainana teny amin’ny polisy. Niroso tamin’ny fikarohana avy hatrany ireto farany. Narahi-maso avokoa ny toerana ahina ho mety nandalovany. Nohamarin’ny polisy tamin’ny alalan’ny horonantsary teny amin’ny tobim-piantsonan’ny taksibrosy Andohatapenaka ny tranga. Niditra tao anaty taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Morondava izy. Hita niaraka tamin’ny vehivavy namany teny amin’ny torapasika Morondava izy tapa-bolana taorian’ny fikarohana. Anatin’ny fanadihadiana hamantarana ny antony nahatonga ny tsy fahitana azy ny polisy.

Tsiferana R.

Partager sur: