Nahatrarana bala 13 isa: Jiolahy raindahiny maty voatifitra

Lavon’ny tifitra nataon’ny polisy ny jiolahy raindahiny ikoizana amin’ny asa fangalarana sy fanafihana tao Am­bositra, afakomaly. Nanao ny asa ratsiny, nifanehatra tampoka tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana izy. Nizotra avy amin’ny lalana mihazo amin’ny tsenan’omby tao amin’ny fokontany Anka­zotokana ilay jiolahy. Taorian’ ny nahitana ny fihetsika hafahafaha nataon’ity farany. Nampitsahatra azy mba hijanona ny mpitandro filaminana. Nanohitra avy hatrany ilay jiolahy. Nitondra fitaovam-piadiana izy ary nikasa hitifitra. Namaly ny polisy. Vokany, voan’ny bala ilay mpanao ratsy. Natao ny fisavana azy. Nahatrarana bala fampiasa amin’ny basy kalachnikov miisa 13 teny aminy. Ankoatra io, nihazona ody ratsy koa, ity jiolahy maty voatifitra ity. Karohina ny namany, araka ny fanazavan’ny polisim-pirenena. Ahina ho misy mpiray tsikombakomba raha teo izy. Tsiahivina, maro ireo efa lasibatry ny fanafihana sy ny asa ratsin’ity olon-dratsy lavon’ny balan’ny polisy tao Ambositra ity.

Tsiferana R.

Partager sur: