Voan’ny bala teo amin’ny tananany ny iray tamin’ireo telo mianaka avy nivarotra voaroba tao Ambaniavaratra, distrakan’i Fandriana, afakomaly. Lasan’ny jiolahy ny vola maty tany an-tsena sy finday. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay naratra. Tsy nisy aina nafoy.
Mpanao sinto-mahery roa lahy voasambotry ny polisy avy eo anivon’ny UIR tao Mahajanga, afakomaly. Naharatrana entana vao avy nangalariny toy ny telefaonina sy fitoeram-bola teny amin’izy roa lahy ireo. Natolotra fampanoavana ka nohazonina vonjimaika any am-ponja.
Tratra ny lehilahy tompon’antoka tamin’ny vaky trano ka naka basy miisa roa sy vary iray gony tao amin’ny kaominina Anosivelo Farafangana, afakomaly. Namidin’ilay mpangalatra tamin’ny vehivavy ireo basy ireo. Niaraka voasambotra izy roa taorian’izay.
Iharan’ny fangalarana ireo vy mihazona ireo fefy amin’ny sisin-dalana amin’ny lalam-baovao ao Toamasina, omaly. Vakin’ireo mpangalatra hatramin’ny béton manarona ny lalan-drano amin’io arabe io. Miantso ny tomponandraikitra hijery ifotony ireo minia manimba fotodrafitrasa iombonana ny mponina any an-toerana.




