GCC Kanada-Dubai : Hatsaraina ny fotodrafitrasa

Natao sonia, ny 7 aogositra teo, ny fifanarahana eo amin’ ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Asa Vaventy, andaniny, sy ny Antenimieran’ny Varotra (GCC) avy any Kanada sy Dubai, ankilany. Ifantohan’ny fiaraha-miasa ny fanamafisana ny fanatsarana ny lafiny fotodrafitrasa eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fampitana sy ny fifanakalozana fahaiza-manao, traikefa ary teknolojia avy amin’ireo manam-pahaizana avy any Kanada sy Dubai. Hisokatra bebe kokoa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny famolavolana sy fanatanterahana tetikasa goavana mikasika ny fananganana fotodrafitrasa. Kendrena ihany koa ny hahazoana fotodrafitrasa tsara kalitao, hitondra vokatra mivaingana sy fampandrosoana ho an’ny firenena. Niara-nanao sonia ny fifanarahana ny minisitra MTP, Rafefimanana Richard sy ny filohan’ny GCC Canada-Dubai, Vincent Bernier.
Tsiahivina, fa efa nisy koa ny fifanarahana vita sonia nataon’ny fanjakana amin’ny GCC mahakasika ny lafiny fanatsarana ny seranan-tsambo, ny seranam-piaramanidina, ny zotra an-dalamby ary ny fambolena.

Njaka A.

Partager sur: