Zaridainan’Antaninarenina : Handray ny « Hosotra 2026 »

Misokatra amin’ny seha-kanto marolafy ny « Hosotra » amin’ity. Nivelatra tamina mpanakanto maro ihany koa, izay hasongadina etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina.

Tsy hosodoko sy sary fotsiny intsony. Handray ny saripika, sokitra, sarimihetsika, slam poezia, sy ireo seha-kanto hafa ny «Hosotra» amin’ity. Hotontosaina ma­nom­boka anio hatramin’ny 29 aogositra izany, araka ny fampahafantarana teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina, izay handray ny fampirantiana. Maro, araka izany, ireo mpanakanto handray anjara amin’ity, satria mahatratra 40 eo izy ireo. Any amin’ny 200 any kosa ny sanganasa hampirantiana.
“Misy ireo mpanao hosodoko efa fanta-daza toa an-dry Rija Rambelo. Ao koa ireo tanora manan-talenta toa an-dry Ramy. Ny tanjona dia ny hahafahan’ny rehetra misokatra amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina”, hoy ny nambaran’i Dina Rabearivelo, iray amin’ireo mpanakanto mpikambana ao amin’ny Maison Sociale des Arts, izay nandray an-tanana ny fikarakarana ny hetsika nanomboka ny taona 2026. Anisan’ny masontsivana voalohany ho an’ireo mpampiranty ny famitana ny sanganasany eo anelanelan’ny taona 2025 sy 2026. Natao izany mba handrisihina azy ireo amin’ny famoronana sy ny famokarana zavakanto.
Raha tsiahivina ny tantara, hetsika iray fanao isan-taona, isaky ny volana jolay taloha ny “Hosotra”. Teo anoloan’ny Tranompokonolona Analakely no niatombohany ny taona 1997, avy eo nifindra teo amin’ny Esplanade Analakely. Efa teny amin’ny zaridainan’Ando­halo taty aoriana, ary izao etsy Antaninarenina. Tsy fampirantiana fotsiny, fa fotoana hisian’ ny takalo sy fifampizarana traikefa ihany koa ny fotoana, eo amin’ireo samy mpanakanto. Anisan’ny maro mpiandry ilay fanaovana hosodoko eo noho eo, jeren’izay liana.

Zo ny Aina

Partager sur: