Hitafatafa amin’ireo liana amin’ny tontolon’ny sarimihetsika i Edwelle Zafindrazana Ralaiaridimby. Izy no talen’ny Ivontoerana ho an’ny sarimihetsika sy sarimiaina eto Madagasikara, na ny ISSM amin’izao fotoana. Hotontosaina rahampitso alarobia 12 aogositra, amin’ny 3 ora tolakandro izany, eny amin’ny ESM Ampandrana. Anisan’ny lohahevitra horesahana ny “ISSM Festival Film Awards 2026”. Eo koa ny mahakasika ny rafitra mifehy ny famokarana sarimihetsika eto Madagasikara.
Efa atoandro vao nifarana ny “Festival Sômaroho!”, omaly. Efa fahazarana ho an’ny mponin’i Nosy Be izany, ary i Wawa hatrany no mamarana ny andian-tseho. Avy ny orana iny alina iny, saingy tsy nisy niala ireo mpankafy. Nivadika ho fotaka mandrevo ny kianjan’Ambodivoanio, ary dia niloko volon-tany avokoa ireo mpifety nony mazava ny andro. Fanambin’i Wawa nandritra izay 13 taona nisian’ny “Sômaroho!” izay ny tsy mijanona mihira raha tsy ny mpijery no reraka voalohany!
Nilaza ho narary avy taty Madagasikara ilay mpanakanto Shensea, vahinin’ny “Festival Sômaroho!” tany Nosy Be. Tokony nanao fampisehoana tao La Réunion izy, kanefa niditra hopitaly vokatr’izany. Aretim-pivalana no nambarany, izay mety azony tamina sakafo nohaniny tany Nosy Be. Maro ireo tohina noho ny fanambarana nataony, izay somary manilika ny fahavoazany sy ny tsy nahafahany niaka-tsehatra ao La Réunion amin’ny diany taty Madagasikara.




