Distrikan’Ambohidratrimo: Mivoaka ny tetiandro fitsarana miaramila

Nivoaka ny tetiandro ha­na­tanterahana ny fitsarana mi­aramila ho an’ireo tonga taona rehetra ho an’ny distrikan’ Ambo­hidratrimo. Ireo to­vo­lahy sy tovovavy teraka teo anelanelan’ny taona 1995 hatramin’ny taona 2007 (19 taona ka hatramin’ny 31 taona) no voakasin’izany. Ho an’ny fitsarana miaramila taona 2026 izao ho­tanterahina izao.
Hotanterahina ao amin’ny Tranompokonolona izany ny 31 aogositra sy ny 1 septambra ho an’ny kaominina Ambo­hi­dratrimo. Ao amin’ny Lapan’ny tanàna kosa no ha­na­tanterahana ny fitsarana miaramila ho an’ny kaominina Ambohitrimanjaka ny 2 sy 3 septambra. Ao amin’ny Lycée Mahitsy no hanatanterahana izany ny 4 sy 5 septambra ho an’ny kaominina Mahitsy. Atao ao amin’ny Tranompoko­no­lona Mandrosoa kosa ny anjaran’ny kaominina Ivato ny 7, 8 ary 9 septambra. Mama­rana azy ny ao amin’ny kaominina Imerimandroso izay ha­tao ao amin’ny Lapan’ny tanàna ny 14 sy 15 septambra izao.
Tombony amin’ny fahavitan’ny fitsarana miaramila ny fahafahana mandray anjara amin’ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana eto amin’ny firenena. Afaka mikarakara antontan-taratasy malalaka ihany koa raha handeha hianatra na hiasa any ivelany.
Mila mitondra karapanodrom-pirenena sy penina man­ga rehefa hiatrika ny fitsarana miaramila. Mila manao madio, fohy volo, ary tsy mikavina ny lehilahy.

Tatiana A

Partager sur: