Mamerina sy mampahatsiahy ny fitsipiky ny fahadiovana ho an’ireo mpampiasa ny hopitaly ny tompon’andraikitry ny CHU HJRA. Andraikitry ny rehetra ny fahadiovan’ny fotodrafitrasa iombonana toy ny hopitaly. Voakasik’izany ny mpiasan’ny hopitaly, ny marary, ny mpiandry marary, ireo mpamangy marary. Samy manana ny anjara andraikitra amin’ny fitazomana ny hopitaly ho madio, milamina, ary mendrika ny rehetra.
Nandray anjara tamin’ny hetsika tolo-tanana ho an’ireo traboina vokatry ny fahamaizan’i Bazary Kely Toamasina ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Feno Ralambomanana, sy ireo mpiara-miasa aminy omaly. Hetsika maneho firaisankina sy fiombonam-po amin’ny samy Malagasy ary ihany koa fanohanana ireo mpivarotra very fananana mba hanarenana ny foto-piveloman’izy ireo.
Nodiovin’ny kaominina ny teny La Réunion kely, izay toerana itobian’ireo olona mivarotra ireo karazan’entana maro. Nakisaka ihany koa ireo mpivarotra mivoaka hatreny amin’ny arabe. Nofendrahana fanafody mamono bibikely teny an-toerana ho fitandroana hatrany ny fahadiovana sy ny fahasalamana.




