Fampandrosoana eny ifotony: Manao fotodrafitrasa sy asa sosialy ny Gasy miarina

Misehatra amin’ny fampandrosoana eny ifotony manoloana ny asa ataony ny orinasa Gasy miarina. Misedra olana anefa izy ireo amin’izao fotoana izao.

Manao asa sosialy sy mi­tondra ny tamberin’andraikitra eo anivon’ny kaominina Ankadinta­ny, distrikan’i Manandriana, Amoron’i Mania ny orinasa Gasy miarina. Eo koa ny fanamboara-dalana sy fotodrafitrasa maro samihafa.
Miantraika amin’ny asa ataon’ity orinasa ara-dalàna mpitrandraka vato malakita any an-toerana ity anefa ny fihetsik’ireo teratany vahiny mividy an-tsokosoko ireo vato tokony amidin’ireo vahoaka ireo amin’ny orinasa Gasy Miarina. Nambaran’ny loharanom-baovao fa mampiasa olona maromaro sy mialokaloka eo amban’ny olom-boafidy iray any an-toerana ireto vahiny ireto ary tonga hatrany amin’ny fifankahalana ny raharaha.
Ny herinandro teo, efa nisy ny fidinana ifotony izay nataon’ny avy amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika nijery ifotony ny zava-misy momba ity olana ity.

Efa voasaringotra

Etsy andaniny, efa nisy ihany koa kamiao iray lehibe 12 t, tra-tehaka nitondra vato malakita an-tsokosoko, herinandro mahery. Ireto vahiny ireto koa anefa mividy ilay vato amin’ny vidiny ambony kokoa. Miezaka mamendrofendro ny vahoaka izy ireo ao anatin’izany rehetra izany. « Tsy mandoa hetra na haba sady tsy manana taratasy ara-dalàna. Efa voasaringotra amin’ny raharaha harena an-kibon’ny tany ihany koa ny sasany amin’izy ireo », hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Araka izany, miantso ny tompon’andraikitra hijery ifotony izao raharaha izao izy ireo sy ny vahoaka any an-toerana.

Randria

Partager sur: