Fanohanana ny mpitondra : Mijoro ny Vovonana ho an’ny fanavaozana

Nampahafantarina omaly ny fijoroan’ny Vovonana ho an’ny fanavaozana an’i Mada­gasikara (VFM). Natao hanamafy ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana ny ezaka fanavaozana tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana, Kly Randria­nirina Michaël, araka ny fanazavan’izy ireo.
Mikendry ny hampivondrona ireo hery velona samihafa ny vovonana, ahitana ireo olom-boafidy am-perinasa sy teo aloha, ireo olobe, tangalamena, olona manana haitarika ary ireo olom-pirenena tsara sitrapo izany vovonana izany. «Handray anjara amin’ny fananganana politika fampandrosoana ara-tsosialy, ara-toekarena ary ara-pitantanana izahay», hoy ny filohany, ny depiote Andrianjanahary Fa­nomezantsoa. Anisan’ny fototra iorenan’ny VFM ny fihavaozana marina, famindram-po ary fanetren-tena. Eo koa ny fihavanana, fahamarinan-toerana ary firaisan-tsaina. Manampy izany ny fahaiza-mitantana sy ny tamberin’andraikitra marina, miaraka
amin’ny fampandrosoana sy fivoaran’ny fikambanana ary ny olom-pirenena rehetra. Ahitana ben’ny Tanàna maromaro, manohana sy miara-dia amin’ny VFM. Anisan’izany ny ben’ny Tanànan’Ivato, Antso­hihy ary Morondava.
Tsiahivina fa filoha lefitra, ny depiote Pety Rakotoniaina, depiote Rakotoarisoa Jhonny avy etsy Ambohidratrimo ary ny depiote Arosy François dit La Banane avy any Nosy Be. Sekretera jeneraly kosa ny depiote Marco Tsaradia, voafidy tao Ampanihy Andrefana.

Synèse R.

Partager sur: