Nahazoan’ny tambajotra mpanondrana olona mankany Sina vola mitetina 100 tapitrisa Ar tsirairay avy ireo vehivavy lasibatra, araka ny voka-panadihadian’ny polisy eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana Manokana sy ady amin’ny hosoka ary fanondranana olombelona, afakomaly. Niakatra fampanoavana ny alatsinainy teo, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa ireo efatra miandahy mpanondran’olona ho any Sina. Vehivavy iray sarona teny amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 6 aogositra lasa teo. Nokasaina halefa any Sina izy ka voasakana taorian’ny fanamarinana. Hampanambadiana sinoa any an-toerana ity farany, raha ny tatitra voaray. Sarona ny tompon’atoka izay efa tambajotra. Nikirakira taratasim-behivavy hafa izay kasaina alefa any Sina hatrany izy ireo. Nogiazana ny pasipaoro miisa folo niampy taratasy sy fitombokase. Voamarina tamin’ny alalan’ny fanadihadiana fa tafakatra hatramin’ny 100 tapitrisa Ar ny vola aloan’ireo vehivavy mikasa handeha hihazo an’i Sina.
Tsifarana R.




