Teknika « In Vitro » : Velaran-tany 100 000 ha hambolena kafe

Nihena ho 15 000 hatra­min’ny 20 000 taonina sisa ny vokatra kafe eto Madagasi­kara, raha nahatratra 80 000 taonina izany tany amin’ny taona 90, izay anisan’ny nanondrana tany ivelany isika. Manoloana izany, misy ny fiaraha-miasan’ny Foibem-pikarohana momba ny masom­boly, ny Fofifa sy ny SOC, amin’ ny ivontoerana, ny Robens Group, mpamokatra sady mpampitombo masomboly
« In Vitro », toy ny katsaka, ny vary, ny voly avotra ary indrindra ny kafe.

Fiaraha-miasa eo ambany fiahian’ny mini­site­ran’ny Fam­bolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA). Velaran-tany 100 000 ha no kendrena hamerenana ny voly kafe, ka tena ifanto­hana ny any amin’ ny faritra atsinanan’ny Nosy sy ny eto afovoantany. Azo heverina ny ahafahana indray manon­drana kafe any ivelany, toy ny tany aloha.
Laboratoara

Eny Ambatolampy Tsima­hafotsy ny toerana misy ny Robens Group, ahitana ny famokarana zanakazo amin’ ny alalan’ny « In Vitro » sy ny laboratoaram-pikarohana. Tanjona ny hamokarana ma­somboly tsara kalitao, ampy ary mifanaraka amin’ny toe-tany eto Madagasikara. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fahazoan’ny tantsaha masomboly mahomby mifanaraka amin’ny filany, hampitomboana ny vo­katra ara-pambolena. Hiha­tsara ny fahafaha-mamokatra sady hitombo ny fidiram-bola, hitondra fampandrosoana.

Njaka A.

Partager sur: