Hiavaka tanteraka ! Hikambana ao anatin’ny boky « Hariivo » ny fahalalana samihafa tafiditra ao anatin’ny kolontsaina sy fomba amam-panao malagasy ary ny tontolon’ny zavapanahy. Fantatra, omaly, fa hivoaka tsy ho ela io boky ahitana ny fanandroana malagasy, ny tontolon’ny valiha sy ireo tsiambaratelony, ny tetiandro malagasy, ny zavapanahy teo amin’ny Malagasy, sns, io.
Nambaran-dRazafindrakoto Harisoa nanoratra ny boky « Hariivo » fa « tahaka ny namoahana ilay boky « Valihan’ Ikaky » I sy II. Any ivelan’i Madagasikara no hamoahana ny andiany natonta voalohany amin’ity boky ity ». Satria, voarakitra ao anatin’ny « Hariivo » ihany koa ny fampianarana ny teny malagasy. Matetika mantsy, tsy mahay miteny malagasy intsony ireo tanora monina any ivelany. Na ny ray aman-dreny ihany koa aza, mety ho tratran’izany ». Hahazo ny anjarany tsy ho ela ihany koa ny eto Madagasikara.
Raha ny voarakitra ao anatiny. Fantatra fa tsy mbola nisy boky amin’ny fiteny malagasy mirakitra fahalalana marolafy (zavakanto, kolontsaina, zavapanahy, teny malagasy…) tahaka izao, teny amin’ny tontolon’ny tsenan’ny boky.
HaRy Razafindrakoto




