Hiragasy miova fototra : « Fisarihana vola sy tehaka ireny », hoy i Dadafara

Tsy honohono, intsony, fa ny efa eny an-kianja mihitsy no maneho ilay fiovana. Fahita ao anaty hiragasy ny dihy soroka, velatanana, sns. An­ke­hitriny, tazana ny « dihim-body ». Tononkira maotina nanjary ahenoina voambolana manimba ny soatoavina, sns. Tratry ny fiovana fototra ihany koa ny hiragasy. « Na inona na inona izay heverina ho fandrosoana eo amin’ny hira sy ny dihy. Tsy tokony hanariana na hanamaivanana ny fototra teo aloha izany », hoy i Dadafara, mpamokatra rakikira sy rakitsary hiragasy.
Raha ny fanazavany hatrany : « ireny fihetsika tazana an­kehitriny ireny (mampadihy vody). Miampy Ireny teny na voambolana « hafahafa » ireny no fomba hitadiavan’ny mpihiragasy tehaka, amin’izao fotoana izao. Satria, raha vitsy ny mpitehaka azy ireo, dia resy ilay tarika. Tahaka izany koa ireo teny anaty hira izay nanjary nentina hisintonana ny sofin’ny mpijery sy ny vola any aminy… Rehefa azo ny tehaka, misy ny hehy, mirotsaka ny vola avy any amin’ny mpijery. Soa fa tsy mbola tratran’io tranga io ny renihira ».
Ho an’ity raiamandreny lehibe eo amin’ny tontolon’ny hiragasy ity : « tokony jerena sy tandremana tsara ny fototra, satria, tsy mijanona amin’ny maha zavakanto azy ny hiragasy fa fanabeazana. Tsy misy fanabeazana tsara sy vanona ary manaja soatoavina azo avy amin’ny fampiadiana vody». Nambarany fa mila haverina ny sy tazonina ny fototra maha hiragasy ny hiragasy izay sady kolontsaina no zavakanto, fanabeazana, sns.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: