Tsy tazana loatra ny mpamorona. Olana efa ela io, satria, sady tsy voateny no tsy voasoratra no tsy… eny ambony sehatra ry zareo. Ho an’ny zavakanto hafa tahaka ny sary hosodoko, mbola hita eny an-joron’ny tabilao ihany ny anaran’ilay nanao ny sary. Lesoka mila harenina io tsy fahatazanana ny mpamorona io, satria, manjary maro ireo misoloky, mangalatra, manova ny sanganasa iray na maro. Raha vantany vao miova, anefa, ny voambolana iray. Niova fanahy ilay tsanganasa.
Fanambarana fahatelo. Tsy hihira intsony « hono » i Britney Spears. Ny taona 2024, tamin’ny voalohandohan’ity taona 2026 ity. Nohamafisiny ireo ka nidirany lalindalina kokoa ny antony. Nambarany fa « tsy teo ho ao anatin’ny tontolon’ny hira intsony izy. Hifantoka kokoa any amin’ny lafiny ara-panahy izy ka hametraka ny fandraharahana momba ny mozika amin’izay. Ilay fahatsiarovan-tena ho voateritery no iray amin’ireo antony tsy nampitodika azy intsony any amin’ny hira.
Malagasy olon’ny fo. Mbola maro be ny diso hevitra amin’io. Heveriny fa ilay mora mamono na mora miady na mora malahelo ny hevitry ny hoe : « olon’ny fo ». Tsy nisy rahateo sahy nanitsy hany ka nibirioka hatrany ny fahalalana momba azy io. « Am-bava homana, am-po mieritra ». Izany hoe, ny fo no nentin’ny Malagasy nieritra hany ka afaka nandinika zavatra maro sy lalina izy. Nanome lanja ny fanahy izy. Notandremany fatratra kosa ny fampiasana ny saina satria aminy : « ny saina mamosavy ».




