Fanamby lehibe ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny hitondra fanavaozana misongadina sy ahitam-bokatra haingana hidiran’ny tanora amin’ny sehatrasa. Maro ny lohahevitra hodinihina mandritra ny fihaonambe any Mahajanga.
Tanterahina ao amin’ny faritra Boeny, sekoly St Gabriel ny zaikabe ho an’ny fanatsarana ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Manokatra ny hetsika ny praiminisitra lehiben’ny goveremanta Rajaonarison Mamitiana.
Tsy manaraka ny vanim-potoana ankehitriny intsony ny fandaharam-pianarana ka tena ilana fanavaozana. Ampifanarahana amin’ny filan’ny faritra ny tolotra fiofanana omena ny tanora mba tena hitondra famokarana sy fampandrosoana mivantana. Kitro ifaharan’ny fanavaozana ny tanora ka tsy maintsy ampandraisina anjara, hoy ny praiminisitra.
Antenaina ao anatin’izao fihaonambe izao ny fampifanandrifina ny filana isaky ny faritra na ny filan’i Madagasikara mihitsy.
Tokony hampidirina ny sehatry ny niomerika ny fanofanana momba ny IA izay asa misokatra be ho an’ny tanora amin’izao fotoana. Tokony hofanina miaraka amin’izay ireo mpampianatra hahafahana mampiditra izany fampiofanana izany mba hahazo asa haingana ny tanora.
Toraka izany, ny fampiofanana momba ny fizahantany izay saika hanjakan’ny sekoly tsy miankina ka tokony anaovan’ny fanjakana ezaka be. Tokony ho voadinika ao anatin’ izao fihaonambe izao izany.
Tetsy andaniny, ny minisitra, Todisoa Andriamampandry, dia nanamafy fa mila ampiakarina ny kalitao, atao avo lenta sy mifanaraka amin’ ny filan’ny faritra ary ho arifomba ny fitaovana.
Moteran’ny tanora amin’ny famoronan’asa ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Telo sosona ny lanonana, teo ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana andiany voalohany, miisa 250. Nisy koa ny fifanarahana arakasa natao tamin’ ny fikambanana Fanjiry ary ny fitokanana fotodrafitrasa sy fizarana mari-pankasitrahana.
Tatiana A




