Nanolotra vary 300t, tsaramaso 25t ary menaka 11 000 l ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany, omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC Andrainarivo. Isam-bolana ny mpikambana ao amin’ny fiangonana dia manokana andro iray hifadian-kanina, ny vola tokony nividianana sakafo no arotsaka amin’ny kitapom-bola iraisana ahazoana manao hetsika fanampiana ny mpiara-belona maneran-tany toy izao, hoy ny tomponandraikitra solontenan’ ny fiangonana, ny filoha Randrianarisoa Sedinirina. Andiany faharoa ho an’ity taona ity ny fanampiana nentin’izy ireo. Tohana natokana ho an’ny olona ao amin’ny kaominina Belalanda, Toliara II, faritra Atsimo Andrefana, ahitana tokantrano 24 000 sahirana ara-tsakafo.
Efa nisy asa nanomboka ny alahady lasa teo tany an-toerana nanazava amin’ny mponina fa efa misy masontsivana ho an’ny olona hisitraka ny sakafo, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Ramanantsoa Gabriel. Manampy amin’ny fanentanana koa ny mpikambana amin’ny point focal BNGRC eny ifotony.
Hanomboka ny alakamisy izao ny fizarana ny sakafo ho an’ny tokantrano sahirana ara-tsakafo any Toliara II. Samy ahitana olana ara-tsakafo avokoa ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary ny distrikan’i Toamasina II fa ny any Atsimo Andrefana no hotontosaina ny alakamisy izao. Hitohy ny fizarana ho an’ny faritra hafa miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka hafa indray mandritra ny tapa-bolana, hoy ny talen’ny lahasa sy ny vonjy taitra ao amin’ny BNGRC, lieutenant-colonel Andriamitantsoa.
Vonjy




